Ny Lapa Siansa eto Madagasikara

(Lapa Siansa)

Ny fitambaran'ny toerana rehetra manao ny asa voafaritray no antsoina hoe " Lapa Siansa" eto Madagasikara". Ny dingana voalohany dia ny fanorenana azy io ao Antananarivo, satria maro ny lycées sy kolejy misy ao.

Io masoivoho lehibe io dia trano iray hotsinjaraina toy izao :

500 isan'andro ny isan'ny mpianatra ho zakany ety am-panombohana / 20.000 isan-telo volana

Tanjona eo am-panombohana: ao amin'ny kilasy siantifika avy ny lycée dia mandalo 1 andro avy isan-telo volana hanao fanazarana amin'ny fizika, simia, fahalalana tsotsotra, ny fahaizana solosaina ho fanetsiketsehana ny fahakingan-tsaina ary ho fanitarana izany.

Ny asa fampiharana sy ny fanaovana andrana dia tarihin'ny mpianatra ambony ao anatin'ny fianarana ataony. Ireo mpiofana ireo dia mbola arahin'ireo manampahaizana mpampiofana maimaimpoana (akaiky hisotro ronono) manana fandavan-tena hampandroso ny tanjona.

Hisy ny fiara fitaterana ho an'ireo mpianatra izay manodidina (30 kms - lalana adiny iray)

Ny Lapa Siansa dia misokatra ho an'ny besinimaro amin'ny andro tsy fianarana : ny alarobia, ny fialan-tsasatra, ny volana Jolay sy Aogositra dia kendrena ho tonga toeram-pizaha mahaliana.

Ny Lapa dia hampiarahana amin'ny sampana "Trano fikajiana ny siansa" amin'ny alalan'ny fifanampiana na fiantohana.

Ny ezaka manaraka

Aoriana kely dia hisy fiara lehibe afaka mitondra mpianatra sy fitaovana) izay mitety tanàna tsirairay mba hanao fampiharana ny fampianarana nandritra ny telo volana.

Ny tanjona kendrena dia ny fananan'ny tanan-dehibe tsirairay eto Madagasikara Lapa mitovy amin'ny eto an-drenivohitra.

Teny vitsivitsy momba ny fanovozam-pahalalana

Ny zava-kendrena dia ny fanombohana ny fanapariahana amin'ny alalan'ny tranonkala, ka hatomboka amin'ny fisasahan'ny taona 2004, hahafahan'ny mpampianatra sy ny mpianatra mahita eo anatin'ny fotoana fohy ireo taratasy ilaina, fomba fampanoroana sosokevitra amin'ny alalan'ny fanandramana tsotsotra.